Return to Video

Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano

  • 0:00 - 0:03
    Tao Limpopo no nahalehibe ahy, sisin-tany manasaraka an'i Limpopo
  • 0:03 - 0:06
    sy Mpumalanga, tanàna kely iray antsoina hoe Motetema.
  • 0:06 - 0:09
    Tsy dia azo antoka izay ihany ny famatsian-drano sy jiro,
  • 0:09 - 0:13
    toy ny toetrandro tsy mena-mivadika, ary ny niaina tao anatin'izany toe-javatra sarotra izany,
  • 0:13 - 0:16
    teo amin'ny faha-17 taona, niara-nanala azy tamina namana maromaro aho,
  • 0:16 - 0:19
    ririnina ny andro tamin'izay, nitaninandro izahay.
  • 0:19 - 0:22
    Mahamay be ny masoandro any Limpopo rehefa ririnina.
  • 0:22 - 0:25
    Teo am-pitanihana andro dia niteny tamiko ilay namako teo akaikiko.
  • 0:25 - 0:28
    "O lety e, tokony mba misy olona mamorona zavatra
  • 0:28 - 0:32
    ahosotra amin'ny hoditra l'ty dia tsy mila mandro intsony a!"
  • 0:32 - 0:36
    Nipetraka aho ary namaly hoe: "tonga dia vidiako be raha misy an'izany!"
  • 0:36 - 0:40
    Nody aho rehefa avy eo, ary nanao fikarohana kely,
  • 0:40 - 0:43
    ary nahita ireto antontan'isa nanaitra ireto.
  • 0:43 - 0:46
    Ankehitriny dia maherin'ny 2,5 lavitrisa ny olona eto an-tany
  • 0:46 - 0:49
    no tsy manana rano madio sy fidiovana manara-penitra.
  • 0:49 - 0:51
    450 tapitrisa amin'ireo no any Afrika,
  • 0:51 - 0:54
    ary 5 tapitrisa amin'izany ao Afrika Atsimo.
  • 0:54 - 0:56
    Betsaka ireo aretina miroborobo ao anatin'ny tontolo toa izany,
  • 0:56 - 1:00
    ny tena mampivarahontsana amin'ireo dia ny "trachome".
  • 1:00 - 1:03
    Aretin'ny maso vokatry ny loto
  • 1:03 - 1:06
    mankany amin'ny maso izy io. Mety miteraka
  • 1:06 - 1:09
    fahajambana tanteraka ny Trachome raha mihombo be loatra.
  • 1:09 - 1:12
    8 tapitrisa ny olona efa jamban'ny trachome
  • 1:12 - 1:15
    isan-taona. Ny tena mampivarahontsana amin'ilay izy
  • 1:15 - 1:18
    dia zavatra tsotra kely toy ny
  • 1:18 - 1:20
    fanasàna tarehy no hany fisorohana ny "trachome":
  • 1:20 - 1:22
    tsy mila fanafody na tsindrona.
  • 1:22 - 1:25
    Rehefa nahita ireo antontan'isa ireo aho, dia nieritreritra,
  • 1:25 - 1:28
    "Na dia hoe tsy ho ahy aza,
  • 1:28 - 1:30
    sy ny hoe izaho tsy tia mandro, farafaharatsiny mba tokony hanao zavatra aho
  • 1:30 - 1:33
    hanavotana an'izao tontolo izao." (Hehy)
  • 1:33 - 1:38
    Nampiasaiko ny Nokia 6234-ko--
  • 1:38 - 1:41
    Tsy nanana solosaina portable aho, tsy dia mbola afaka nigalabona tamin'ny aterineto ihany koa,
  • 1:41 - 1:44
    ankoatran'ilay cybercafé andoavana 20 rand isan'ora eo an-tanàna--
  • 1:44 - 1:47
    nanao fikarohana tamin'ny Wikipedia, Google aho momba ireo fanafody ahosotra,
  • 1:47 - 1:51
    herotra fanosotra, ireo taharo, ny mari-pàna mampitsonika azy, ny heriny sy ny loza mety aterany--
  • 1:51 - 1:52
    Nianatra siansa aho teny amin'ny Anjerimanontolo--
  • 1:52 - 1:56
    ary namorona raikipohy (formule) kely, nataoko an-taratasy,
  • 1:56 - 1:59
    ary toy ila sakay kely mampiavaka ny akoho nendasina KFC ilay izy, azonareo angamba ny tiako hambara.
  • 1:59 - 2:02
    Vonona ity ny "formule".
  • 2:02 - 2:04
    Mila fampiharana sisa.
  • 2:04 - 2:08
    Efatra taona taty aoriana, rehefa vita ny drafitra tetikasa
  • 2:08 - 2:11
    40 pejy natao tamin'ny finday,
  • 2:11 - 2:13
    vita koa ny brevet,
  • 2:13 - 2:16
    izaho no zandriny indrindra amin'ireo manana brevet d'invention ao amin'ny firenena,
  • 2:16 - 2:19
    ary--("Tsy mila mandro intsony!")--
  • 2:19 - 2:21
    Izany ihany no azoko lazaina. (Hehy)
  • 2:21 - 2:25
    Namorona ny DryBath aho, fanosotra voalohany eto an-tany
  • 2:25 - 2:28
    mahasolo ny fandroana amin'ny rano.
  • 2:28 - 2:32
    Ahosotra amin'y hoditra izy io, dia tsy mila mandro intsony avy eo.
  • 2:32 - 2:37
    (Hehy)
  • 2:37 - 2:39
    Rehefa nezahana izay nampety azy teny amin'ny Anjerimanontolo,
  • 2:39 - 2:43
    niaraka tamin'ny enti-manana kely nananana, dia niakatra fianarana ambony aho,
  • 2:43 - 2:45
    nahafantatra olona vitsivitsy, nampihatra azy,
  • 2:45 - 2:49
    ary niafarany dia nahavita ity vokatra mahomby
  • 2:49 - 2:51
    izay vonona ny hamidy eny an-tsena. Efa azo vidiana eny amin'ny tsena io izao.
  • 2:51 - 2:54
    Betsaka ireo lesona azo tamin'ny fivarotana
  • 2:54 - 2:57
    sy famatsiana ny DryBath.
  • 2:57 - 2:59
    Ny iray tamin'ireo dia ny olona avy amin'ny fiaraha-monina sahirana
  • 2:59 - 3:01
    dia tsy mividy vokatra ambongadiny.
  • 3:01 - 3:04
    Mividy an-tsinjarany no ataony. Ny olona any Alex dia tsy mividy sigara
  • 3:04 - 3:06
    amin'ny fonosany. Sigara iray no vidiany
  • 3:06 - 3:09
    isan'andro, na dia lafolafo kokoa ary izany.
  • 3:09 - 3:11
    Noho izany dia natao tamin'ny fonosany madinika ny DryBath.
  • 3:11 - 3:14
    Tatahana ilay fonosany dia potserina hivoaka ny ao anatiny.
  • 3:14 - 3:18
    ary ny milay aminilay izy, dia ny iray fonosana dia mahasolo fandroana iray
  • 3:18 - 3:20
    ary andoavana 5 rand.
  • 3:20 - 3:23
    Rehefa vita io modely io, dia betsaka koa ireo lesona azo
  • 3:23 - 3:24
    momba ny famatsina ilay vokatra.
  • 3:24 - 3:27
    Hitanay fa na ireo zanaky ny mpanana avy any amin'ny sisin-tanàna aza
  • 3:27 - 3:29
    dia nila ny DryBath. (Hehy)
  • 3:29 - 3:31
    Na dia hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza.
  • 3:31 - 3:34
    Na dia izany aza, tsapanay fa afaka mitsitsy rano 80 tapitrisa litatra izahay
  • 3:34 - 3:37
    isaky ny tsy mampiasa rano handroana ny olona
  • 3:37 - 3:40
    ary ora roa isan'andro ihany koa no tombony azon'ny ankizy
  • 3:40 - 3:43
    any amin'ireo faritra mbanivolo, mitombo adiny roa izany ny ora any an-tsekoly,
  • 3:43 - 3:45
    adiny roa fanampiny hanaovana enti-mody,
  • 3:45 - 3:48
    ary adiny roa tsotra izao hilalaovany amin'ny maha-zaza azy.
  • 3:48 - 3:50
    Rehefa hita ireo vokany isan-karazany ireo dia natao
  • 3:50 - 3:53
    izay hifantohany amin'ny hevi-dehibe ijoroany,
  • 3:53 - 3:55
    dia ny fahadiovana sy ny fanamorana ny fiainana.
  • 3:55 - 3:57
    Manamora ny fiainan'ny mpanana ny DryBath
  • 3:57 - 4:00
    ary mamonjy ny sahirana ihany koa.
  • 4:00 - 4:03
    Rehefa vita ny fampiharana rehetra,
  • 4:03 - 4:05
    dia eo an-dàlana hivarota azy
  • 4:05 - 4:08
    amina orinsa lehibe maneran-tany iray izahay hivarotra azy amin'ny mpaninjara,
  • 4:08 - 4:12
    ary fanontaniako aminareo androany dia ny hoe,
  • 4:12 - 4:14
    Avy amin'ireo làlana vatovato any Limpopo,
  • 4:14 - 4:18
    50r and isan-kerinandro no vatsy,
  • 4:18 - 4:21
    Into aho ankehitriny nahita fomba iray hialàna amin'ny fandroana.
  • 4:21 - 4:24
    Inona no manakana anareo? (Tehaka)
  • 4:24 - 4:27
    Mbola tsy vita.Mbola tsy vita.
  • 4:27 - 4:30
    Ary ny lesona lehibe iray ihany koa
  • 4:30 - 4:31
    nadritra io tantara rehetra io,
  • 4:31 - 4:36
    dia voahosotry Google ho anisan'ireo saina mahiratra indrindra eto an-tany aho.
  • 4:36 - 4:38
    Izaho ihany koa no mpianatra sady mpandraharaha mahay indrindra
  • 4:38 - 4:41
    eto an-tany, Afrikanina voalohany nahazo izay fankasitrahana izay
  • 4:41 - 4:46
    ary ny zavatra tena mba nahagaga ahy
  • 4:46 - 4:50
    dia ny tsy fitiavako mandro no nahavitako an'izany rehetra izany. Misaotra tompoko.
  • 4:50 -
    (Tehaka.)
Title:
Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano
Speaker:
Ludwick Marishane
Description:

Raha iray kilometatra isan'andro no alehanao hahazoanao rano iray siny, toa ny ataon'ny olona an-tapitrisany eto an-tany, mety tsy ho lanianao handroana kosa angamba iny rano iny fa lafo vidy loatra. Mitantara ny fomba nahatongavany tamin'ny famoronany ity akora mora vidy, madio ary manamora fiainana: ny DryBath, fanosotra voalohany eto an-tany mahasolo ny fandroana, i Ludwick Marishane, mpianatra mpandraharaha vao erotrerony. Tantara mahatsikaiky ihany nefa mahavariana ihany koa.

more » « less
Video Language:
English
Team:
closed TED
Project:
TEDTalks
Duration:
05:13
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for A bath without water
Rijaniaina Randrianomanana accepted Malagasy subtitles for A bath without water
Rijaniaina Randrianomanana edited Malagasy subtitles for A bath without water
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water
andry ravololonjatovo added a translation

Malagasy subtitles

Revisions