Tao Limpopo no nahalehibe ahy, sisin-tany manasaraka an'i Limpopo sy Mpumalanga, tanàna kely iray antsoina hoe Motetema. Tsy dia azo antoka izay ihany ny famatsian-drano sy jiro, toy ny toetrandro tsy mena-mivadika, ary ny niaina tao anatin'izany toe-javatra sarotra izany, teo amin'ny faha-17 taona, niara-nanala azy tamina namana maromaro aho, ririnina ny andro tamin'izay, nitaninandro izahay. Mahamay be ny masoandro any Limpopo rehefa ririnina. Teo am-pitanihana andro dia niteny tamiko ilay namako teo akaikiko. "O lety e, tokony mba misy olona mamorona zavatra ahosotra amin'ny hoditra l'ty dia tsy mila mandro intsony a!" Nipetraka aho ary namaly hoe: "tonga dia vidiako be raha misy an'izany!" Nody aho rehefa avy eo, ary nanao fikarohana kely, ary nahita ireto antontan'isa nanaitra ireto. Ankehitriny dia maherin'ny 2,5 lavitrisa ny olona eto an-tany no tsy manana rano madio sy fidiovana manara-penitra. 450 tapitrisa amin'ireo no any Afrika, ary 5 tapitrisa amin'izany ao Afrika Atsimo. Betsaka ireo aretina miroborobo ao anatin'ny tontolo toa izany, ny tena mampivarahontsana amin'ireo dia ny "trachome". Aretin'ny maso vokatry ny loto mankany amin'ny maso izy io. Mety miteraka fahajambana tanteraka ny Trachome raha mihombo be loatra. 8 tapitrisa ny olona efa jamban'ny trachome isan-taona. Ny tena mampivarahontsana amin'ilay izy dia zavatra tsotra kely toy ny fanasàna tarehy no hany fisorohana ny "trachome": tsy mila fanafody na tsindrona. Rehefa nahita ireo antontan'isa ireo aho, dia nieritreritra, "Na dia hoe tsy ho ahy aza, sy ny hoe izaho tsy tia mandro, farafaharatsiny mba tokony hanao zavatra aho hanavotana an'izao tontolo izao." (Hehy) Nampiasaiko ny Nokia 6234-ko-- Tsy nanana solosaina portable aho, tsy dia mbola afaka nigalabona tamin'ny aterineto ihany koa, ankoatran'ilay cybercafé andoavana 20 rand isan'ora eo an-tanàna-- nanao fikarohana tamin'ny Wikipedia, Google aho momba ireo fanafody ahosotra, herotra fanosotra, ireo taharo, ny mari-pàna mampitsonika azy, ny heriny sy ny loza mety aterany-- Nianatra siansa aho teny amin'ny Anjerimanontolo-- ary namorona raikipohy (formule) kely, nataoko an-taratasy, ary toy ila sakay kely mampiavaka ny akoho nendasina KFC ilay izy, azonareo angamba ny tiako hambara. Vonona ity ny "formule". Mila fampiharana sisa. Efatra taona taty aoriana, rehefa vita ny drafitra tetikasa 40 pejy natao tamin'ny finday, vita koa ny brevet, izaho no zandriny indrindra amin'ireo manana brevet d'invention ao amin'ny firenena, ary--("Tsy mila mandro intsony!")-- Izany ihany no azoko lazaina. (Hehy) Namorona ny DryBath aho, fanosotra voalohany eto an-tany mahasolo ny fandroana amin'ny rano. Ahosotra amin'y hoditra izy io, dia tsy mila mandro intsony avy eo. (Hehy) Rehefa nezahana izay nampety azy teny amin'ny Anjerimanontolo, niaraka tamin'ny enti-manana kely nananana, dia niakatra fianarana ambony aho, nahafantatra olona vitsivitsy, nampihatra azy, ary niafarany dia nahavita ity vokatra mahomby izay vonona ny hamidy eny an-tsena. Efa azo vidiana eny amin'ny tsena io izao. Betsaka ireo lesona azo tamin'ny fivarotana sy famatsiana ny DryBath. Ny iray tamin'ireo dia ny olona avy amin'ny fiaraha-monina sahirana dia tsy mividy vokatra ambongadiny. Mividy an-tsinjarany no ataony. Ny olona any Alex dia tsy mividy sigara amin'ny fonosany. Sigara iray no vidiany isan'andro, na dia lafolafo kokoa ary izany. Noho izany dia natao tamin'ny fonosany madinika ny DryBath. Tatahana ilay fonosany dia potserina hivoaka ny ao anatiny. ary ny milay aminilay izy, dia ny iray fonosana dia mahasolo fandroana iray ary andoavana 5 rand. Rehefa vita io modely io, dia betsaka koa ireo lesona azo momba ny famatsina ilay vokatra. Hitanay fa na ireo zanaky ny mpanana avy any amin'ny sisin-tanàna aza dia nila ny DryBath. (Hehy) Na dia hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza. Na dia izany aza, tsapanay fa afaka mitsitsy rano 80 tapitrisa litatra izahay isaky ny tsy mampiasa rano handroana ny olona ary ora roa isan'andro ihany koa no tombony azon'ny ankizy any amin'ireo faritra mbanivolo, mitombo adiny roa izany ny ora any an-tsekoly, adiny roa fanampiny hanaovana enti-mody, ary adiny roa tsotra izao hilalaovany amin'ny maha-zaza azy. Rehefa hita ireo vokany isan-karazany ireo dia natao izay hifantohany amin'ny hevi-dehibe ijoroany, dia ny fahadiovana sy ny fanamorana ny fiainana. Manamora ny fiainan'ny mpanana ny DryBath ary mamonjy ny sahirana ihany koa. Rehefa vita ny fampiharana rehetra, dia eo an-dàlana hivarota azy amina orinsa lehibe maneran-tany iray izahay hivarotra azy amin'ny mpaninjara, ary fanontaniako aminareo androany dia ny hoe, Avy amin'ireo làlana vatovato any Limpopo, 50r and isan-kerinandro no vatsy, Into aho ankehitriny nahita fomba iray hialàna amin'ny fandroana. Inona no manakana anareo? (Tehaka) Mbola tsy vita.Mbola tsy vita. Ary ny lesona lehibe iray ihany koa nadritra io tantara rehetra io, dia voahosotry Google ho anisan'ireo saina mahiratra indrindra eto an-tany aho. Izaho ihany koa no mpianatra sady mpandraharaha mahay indrindra eto an-tany, Afrikanina voalohany nahazo izay fankasitrahana izay ary ny zavatra tena mba nahagaga ahy dia ny tsy fitiavako mandro no nahavitako an'izany rehetra izany. Misaotra tompoko. (Tehaka.)