Return to Video

Richard St. John's sy ireo Tsiambaratelon'ny Fahombiazana miisa 8

  • 0:00 - 0:03
    Inty dia famelabelarana adin’ny roa izay nataoko ho an’ny mpianatra,
  • 0:03 - 0:04
    nofintinina telo minitra eto.
  • 0:04 - 0:07
    Ny tantara dia niantomboka tao anaty fiaramanidina, raha hamonjy ny TED aho,
  • 0:07 - 0:08
    fito taona lasa izay.
  • 0:08 - 0:09
    nipetraka teo ankaikiko,
  • 0:09 - 0:13
    Nisy mpianatra, vehivavy tanora iray,
  • 0:13 - 0:15
    avy amina fianankaviana sahirana.
  • 0:15 - 0:18
    Nanana finiavana ny hampivoatra ny fiainany izy,
  • 0:18 - 0:19
    ary nametraka fanontaniana tsotra dia tsotra tamiko.
  • 0:19 - 0:21
    Hoy izy, « Inona no mitondra ho amin’ny fahombiazana ? ».
  • 0:21 - 0:23
    Tsy azoko ny aiko,
  • 0:23 - 0:25
    satria tsy afaka nanome valiny tsara sy mahafa-po ho azy aho.
  • 0:25 - 0:28
    Koa nivoaka ny fiaramanidina aho ary namonjy ny TED.
  • 0:28 - 0:31
    Tonga saina aho... Odry ! hay marina moa izaho eto anivon'ireoto olona maro izay azo lazaina fa tafita ato amin'ity toerana ity !
  • 0:31 - 0:34
    Ka maninona moa raha mba manontany azy ireo ny anton'ny nitondra azy ireo tamin'ny fahombiazana,
  • 0:34 - 0:36
    mba ahafahako mampita izany amin'ny ankizy?
  • 0:36 - 0:40
    Indro mifanatrika indray isika, 7 taona aty aoriana izay nahafahako nanatanteraka fanadihadihana miisa 500,
  • 0:40 - 0:43
    ka afahako hilaza amin'izay ireo fepetra tena mitondra ho amin'ny fahombiazana
  • 0:43 - 0:45
    ary mety hampietana anareo mpikambana ao amin'ny TED.
  • 0:45 - 0:47
    Ny voalohany amin’izy rehetra dia ny fahafinaretana
  • 0:47 - 0:50
    Hoy Freeman Thomas : “izaho dia natosiky ny fahafinaretana”
  • 0:50 - 0:53
    reo mpikambana ao amin’ny TED dia nanantanteraka ampitiavana, fa tsy noho ny vola tsy akory.
  • 0:53 - 0:56
    Carol Coletta nilaza hoe: “Mandoa vola amin’ny olona aho mba hanantanteraka izay ataoko”.
  • 0:56 - 0:58
    Ary ny tena mahaliana indrindra dia:
  • 0:58 - 1:00
    raha manao zavatra am-pitiavana ianao dia manaraka ho azy ny vola.
  • 1:00 - 1:04
    Miasà ! Hoy i Rupert Murdoch tamiko, "Fikelezan'aina no tena izy.
  • 1:04 - 1:06
    Tsy misy zavatra mora izany. Nefa tena mahita fahafinaretana ihany koa aho."
  • 1:06 - 1:10
    Fahafinaretana hoy izy ? I Rupert ve no nilaza izany? Eny !
  • 1:10 - 1:14
    Sady miasa no mahita fahafinaretana ny mpikambana ao amin'ny TED. Ary tena miasa mafy izy ireo.
  • 1:14 - 1:17
    Azoko ihany tamin'ny farany fa tsy ny asa no mangeja azy ireo, fa ny fahitana fahafinaretana.
  • 1:18 - 1:24
    Mahiratra ! Hoy izy i Alex Garden: « Mba hahombiazana dia mifantoha amina zavatra iray
  • 1:24 - 1:25
    ary ataovy izay hampahiratra anao amin’io sehatra io. »
  • 1:25 - 1:28
    Tsy misy fahagagana; fa fihezahana, fihezahana, fihezahana hatrany.
  • 1:28 - 1:31
    Ary mila mifantoka ihany koa. Hoy i Norman Jewison tamiko:
  • 1:31 - 1:34
    « Amiko ilay izy dia miankina amin’ny fahaizanao mifantoka amina zavatra iray »
  • 1:34 - 1:38
    Ary fikirizana ! Hoy i David Gallo, « Mikiriza ianareo »
  • 1:38 - 1:40
    Na ara-batana, na ara-tsaina dia tokony hiezaka sy hikiry hatrany ianareo!
  • 1:40 - 1:43
    Aza menamenatra, tohero koa ny fisalalasalana misy ao aminareo.
  • 1:43 - 1:46
    Goldie Hawn dia niteny hoe: “Izaho dia tsy mba natoky tena firy.
  • 1:46 - 1:48
    Sady tsy dia nahomby tsara aho no tsy dia natsilo saina tsara.
  • 1:48 - 1:50
    Tsy nihevitra mihitsy aho hoe hahavita inona.”
  • 1:50 - 1:52
    Eny e, tsy moramora ange zany mamporisika ny tena izany e!
  • 1:52 - 1:57
    ! ary izany indrindra no antony mampisy ny reny. LOL
  • 1:57 - 2:00
    Frank Gehry -- Hoy I Frank Gehry tamiko,
  • 2:00 - 2:01
    “Ny reniko no namporisika ahy.”
  • 2:02 - 2:07
    Ny fanampiana ! Hoy i Sherwin Nuland tamiko hoe : « Voninahitra ho ahy ny manampy amin’ny maha dokotera ahy »
  • 2:07 - 2:10
    Mazava ho azy, maro ny ankizy milaza amiko hoe any aoriana any, te hanam-bola be izy ireo.
  • 2:10 - 2:11
    Ary ny zavatra voalohany avaliko azy ireo dia:
  • 2:11 - 2:13
    « Eny, tsy tokony ny tenanareo aloha no karakarainareo;
  • 2:13 - 2:15
    fa tokony hitondra zavatra manan-danja ho an’ny hafa hanampiana azy aloha ianareo.
  • 2:15 - 2:18
    Toy izany no maha mpanakarena ny olona.»
  • 2:19 - 2:23
    Ny Hevitra ! i Bill Gates izay mpikambana ato amin’ny TED dia nanambara hoe: « manana hevitra aho,
  • 2:23 - 2:26
    ‘ndeha hanorina ny orinasa voalohany mamokatra “logiciel” ho an’ireo solon-tsaina aho ».
  • 2:26 - 2:28
    Afaka milaza aminareo aho fa hevitra tsara tokoa izany.
  • 2:28 - 2:31
    Ary tsy misy fahagagana ny amin’ny fanantaterahana izany,
  • 2:31 - 2:33
    ny fanaovana zavatra tsotra ihany no vaha-olana.
  • 2:33 - 2:35
    Ary efa maro ireo porofo efa voalazako.
  • 2:35 - 2:37
    Ary farany, manana FAHARETANA ! Hoy i Joe Kraus,
  • 2:37 - 2:40
    « Ny faharetana no antony voalohany iankinanan’ny fahombiazana. »
  • 2:40 - 2:44
    Tsy maintsy manana faharetana isika na dia ao anatin’ny faharesena tanteraka aza. . Tsy maintsy manana faharetana isika na dia tafiditra anaty K.I.Z.O aza
  • 2:44 - 2:47
    izany hoe : voa -Kiana, voa-Ilika, voa-Zimba, Voa-Ory.»
  • 2:47 - 2:49
    LOL
  • 2:50 - 2:54
    Koa araka izany, ny valiny lehibe ho an’io fanontaniana io dia tsotra ihany :
  • 2:54 - 2:57
    Mandoava 4,000 $ (vidim-pidirana) ary tongava aty amin’ i TED.
  • 2:57 - 3:00
    Na raha tsy mety izany dia ampiharo ireo zavatra valo ireo -- ary matokisa ahy,
  • 3:00 - 3:04
    ireo zavatra valo ireo no mitondra ho amin’ny fahombiazana.
  • 3:04 - 3:06
    Misaotra ny mpikambana ao amin’ny TED aho ho an’ireo fanadihadihana rehetra natao.
Title:
Richard St. John's sy ireo Tsiambaratelon'ny Fahombiazana miisa 8
Speaker:
Richard St. John
Description:

Fa Maninona ny olona no tafita ? satria ve izy ireo manan-tsaina? Sa ve izy ireo manambitana ? Tsia. Ny Mpikaroka Richard St. John dia nanao famintina 3 minitra amin-tsika amin'ny alalan'ity sary mihetsika ity. Fanadihadiana izay nataony nandritra ny taona maro ary hizarany amintsika "ny tena tsiambaratelon'ny fahombiazana"

more » « less
Video Language:
English
Team:
closed TED
Project:
TEDTalks
Duration:
03:13
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for 8 secrets of success
Rijaniaina Randrianomanana accepted Malagasy subtitles for 8 secrets of success
Rijaniaina Randrianomanana commented on Malagasy subtitles for 8 secrets of success
Andriankoto Ratozamanana added a translation

Malagasy subtitles

Revisions